Ny Baibol, Eksodosy, Chapter 14. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10064&pid=4&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Eksodosy

Ny Baibol

Genesisy Eksodosy Levitikosy

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40

1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba hivily izy ka hitoby eo akaikin'i Pi-hahirota, eo anelanelan'i Migdolasy ny ranomasina; eo akaikin'i Bala-zefona, dia tandrifiny, no hitobianareo, eo amoron'ny ranomasina.

3 Ary Farao hilaza ny Zanak'Isiraely hoe: Azon'ny tamberintany izy ka voahidin'ny efitra.

4 Dia hanamafy ny fon'i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany.

5 Ary nisy nanambara tamin'ny mpanjakan'i Egypta fa efa nandositra ny olona, dia niova ny fon'i Farao sy ny mpanompony ny amin'ny olona, ka hoy izy: Inona izao nataontsika izao, no nandefa ny Isiraely hiala tamin'ny fanompoany antsika isika?

6 Dia nasainy nofehezina tamin'ny kalesy ny soavaly, sady nitondra ny vahoakany hanaraka azy izy.

7 Ary nitondra kalesy enin-jato voafantina sy ny kalesin'ny Egyptiana rehetra izy, izay samy nisy mpiady avy izy rehetra.

8 Ary Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia nanenjika ny Zanak'Isiraely izy, na dia tamin'ny tanana avo aza no nivoahany.

9 Koa nanenjika azy ny Egyptiana, dia ny soavaly rehetra mitarika ny kalesin'i Farao sy ny soavaliny fitaingina ary ny miaramilany, ka nahatratra azy nitoby teo amoron'ny ranomasina, teo anilan'i Pi-hahirota, tandrifin'i Balazefona.

10 Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah.

11 Ary hoy koa izy tamin'i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?

12 Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.

13 Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.

14 Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.

15 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso.

16 Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely.

17 Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon'ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin'i Farao sy amin'ny miaramilany rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,

18 dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin'i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.

19 Ary Ilay Anjelin'Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan'ny tobin'ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany

20 ka tonga teo anelanelan'ny tobin'ny Egyptiana sy ny tobin'ny Isiraely: dia teo ihany ny rahona sy ny fahamaizinana, nefa nampahazava ny alina kosa, ka dia tsy nifanatona izy roa tonta mandritra ny alina.

21 Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.

22 Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.

23 Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.

24 Ary tamin'ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin'ny Egyptiana.

25 Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo.

26 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.

27 Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana.

28 Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

29 Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.

30 Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana.Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.

Eksodosy 14:30 - Crossing the Red Sea
Crossing the Red Sea
31 Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.

<< ← Prev Top Next → >>