Ny Baibol, Eksodosy, Chapter 36. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10086&pid=4&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Eksodosy

Ny Baibol

Genesisy Eksodosy Levitikosy

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40

1 Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen'i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah.

2 Ary Mosesy dia nampaka an'i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian'i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony hankeo amin'ny asa hanao azy.

3 Ary izy ireo dia nandray tamin'i Mosesy ny fanatitra re­hetra izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy.

4 Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala tamin'ny asany izay nataony avy,

5 ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao.

6 Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran'ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin'ny fitoerana masina ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;

7 fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.

8 [Ny nanaovana ny tabernakely sy izay rehetra momba azy] Ary ny hendry rehetra teo amin'izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.

9 Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.

10 Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.

11 Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin'ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin'ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.

12 Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.

13 Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin'ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.

14 Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.

15 Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.

16 Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.

17 Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo an­tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.

18 Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.

19 Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.

20 Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely izy.

21 Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.

22 Ary lahiny roa no amin'ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin'ny tabernakely.

23 Ary nanao ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.

24 Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin'ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo hiorenan'ny lahiny roa.

25 Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.

26 Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo.

27 Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin'ny lafin'ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.

28 Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely tamin'ny lafiny ivoho izy.

29 Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.

30 Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.

31 Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,

32 sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.

33 Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan'ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.

34 Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.

35 Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.

36 Ary nanao andry efatra tamin'ny hazo akasia izy hihantonan'izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy'hiorenany.

37 Ary nanao varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny lay izy, dia tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.

38 Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.

<< ← Prev Top Next → >>