Ny Baibol, Eksodosy, Chapter 37. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10087&pid=4&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Eksodosy

Ny Baibol

Genesisy Eksodosy Levitikosy

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40

1 Ary Bezalila nanao ny fiara tamin'ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;

2 ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina.

3 Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin'ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin'ny lafiny iray koa.

4 Ary nanao bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena.

5 Ary nampidiriny ny bao ho eo amin'ny vava vola, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.

6 Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin'ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.

7 Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin'ny lohany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana:

8 dia ny kerobima iray nataony teo amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin'ny sakany anankiray: indray mivofy tamin'ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin'ny sakany roa.

9 Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.

10 Ary nanao ny latabatra tamin'ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

11 Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.

12 Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.

13 Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny zorony efatra, izay eo amin'ny tongony efatra, ireo:

14 eo akaikin'ny sisiny no nisian'ny vava vola ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.

15 Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.

16 Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin'ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.

17 Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin'ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.

18 Ary nisy sampany enina tamin'ny ankilany roa, dia sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray, ary sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray koa;

19 teo amin'ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin'ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin'ny sampany enina tamin'ny fanaovan-jiro.

20 Ary teo amin'ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,

21 dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.

22 Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin'ny volamena tsara izy rehetra.

23 Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin'ny volamena tsara izy.

24 Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy.

25 Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.

26 Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.

27 Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin'ny koronosiny, ka nataony teo amin'ny zorony efatra ireo ho fitoeran'ny bao hilanjana azy.

28 Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.

29 Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.

<< ← Prev Top Next → >>