Ny Baibol, Josoa, Chapter 1. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10188&pid=8&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Josoa

Ny Baibol

Deotoronomia Josoa Mpitsara

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24

1 [Ny niomanan'i Josoa sy ny olona hita an'i Jordana] Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy:

2 Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin'ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak'Isiraely.

3 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy.

4 Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.

5 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.

6 Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy.

7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho hita ho hendry]

8 Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina. [Na: ho hita ho hendry]

9 Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.

10 Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:

11 Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.

12 Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nilazan'i Josoa hoe:

13 Tsarovy ny teny izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.

14 Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin'ny tany izay nomen'i Mosesy anareo etỳ an-dafin'i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan'ny rahalahinareo hanampy azy,

15 mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin'ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan'i Jordana.

16 Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.

17 Araka ny nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy.Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.

18 Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.

<< Prev Top Next → >>