Ny Baibol, Josoa, Chapter 5. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10192&pid=8&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Josoa

Ny Baibol

Deotoronomia Josoa Mpitsara

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24

1 Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely. [Na: (mandra-pitantsika)]

2 [Ny namorana ny olona izay nateraka tany an-efitra, sy ny nitandremany ny Paska, ary ny nitsaharan'ny mana] Tamin'izany andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely.

3 Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak'Isiraely teo an-kavoana Haralota.

4 Ary izao no anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta.

5 Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.

6 Fa efa-polo taona no nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.

7 Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.

8 Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.

9 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany. [Gilgala = Fanakodiavana]

10 Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay any Jeriko.[Heb. Arabà]

11 Ary nony ampitson'ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.

12 Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin'izany taona izany.

13 [Ny nisehoan'ny Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa, sy ny nahafahan'ny Isiraely an'i Jeriko] Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman'ny fahavalonay?

Josoa 5:13 - Commander of the Lord\'s Army
Commander of the Lord\'s Army
14 Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny mpanomponao, Tompokolahy ?Dia hoy Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.

15 Dia hoy Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.

<< ← Prev Top Next → >>