Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Josoa

Ny Baibol

Deotoronomia Josoa Mpitsara

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24

1 [Ny zara-tanin'ny taranak'i Josefa]Ary ny faritry ny tany azon'ny taranak'i Josefa tamin'ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin'i Jeriko, dia tao amin'ny ranon'i Jeriko atsinanana, ka hatramin'ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan'i Betela,

2 dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin'ny fari-tanin'ny Arkita hatrany Atarota,

3 dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin'ny Jafletita ka hatramin'ny fari-tanin'i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.

4 Dia azon'i Manase sy Efraima, taranak'i Josefa, ny lovany.

5 Ary ny amin'ny fari-tanin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin'ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.

6 Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr'i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,

7 dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin'i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.

8 Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin'ny lohasahan-driak'i Kana, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Efraima araka ny fokony,

9 mbamin'ny tanàna natokana ho an'ny taranak'i Efraima teo amin'ny lovan'ny taranak'i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin'ny zana-bohiny.Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.

10 Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.

<< ← Prev Top Next → >>