Ny Baibol, Mpitsara, Chapter 5. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10216&pid=9&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Mpitsara

Ny Baibol

Josoa Mpitsara Rota

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21

1 [Ny fihirana nataon'i Debora noho ny nandresena an'i Sisera] Ary Debora sy Baraka, zanak'i Abinoama, dia nihira tamin'izany andro izany ka nanao hoe:

2 Noho ny fitarihan'ny lehibe tamin'ny Isiraely sy ny fahazotoan'ny vahoaka nanolotena, dia miderà an'i Jehovah.[Na: fitombadahin']

3 Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an'i Jehovah; hankalaza an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.

4 Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin'ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.[Heb. tamin'ny saha]

5 Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan'i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

6 Tamin'ny andron'i Samgara, zanak'i Anata, sy tamin'ny andron'i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan'ny mpandeha.

7 Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin'ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin'ny Isiraely.[Na: Tsy nisy mpanapaka; eny nitsahatra]

8 Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin'izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin'ny olona efatra alina tamin'ny Isiraely?

9 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin'ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin'ny vahoaka, miderà an'i Jehovah ianareo.

10 Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin'ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin'ny lalana, samia milaza.

11 Lavitra ny feon'ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin'ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon'i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin'ny tany Isily; Tamin'izany dia nidina ny olon'i Jehovah ho any am-bavahady.[Na: tamin'ny fitondrany ny]

12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin'i Abinoama.

13 Tamin'izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin'ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery.[Na: ho isan']

14 Ny avy amin'i Efraima, izay miorina amin'i Amaleka, dia nomba anao teo amin'ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan'ny mpanao lalàna, ary avy tamin'i Zebolona ireo mitana ny tehin'ny mpifehy.[Na: mpanoratra]

15 Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!

16 Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!

17 Gileada nitoetra tany an-dafin'i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany.

18 Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin'ny fitoerana avo any an-tsaha.

19 Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan'i Kanana, dia teo anilan'ny ranon'i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.

20 Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin'ny nalehany niady tamin'i Sisera.

21 Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko![Na: ony be ady]

22 Tamin'izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny.

23 Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin'i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an'i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an'i Jehovah hamely ny mahery.[Na: isan']

24 Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin'i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.

25 Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian'andriana no nitondrany rononomandry.

26 Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan'ny mpiasa, dia namely an'i Sisera tamin'ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.

27 Teo amin'ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin'ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin'izay niondrehany no niamparan'ny fatiny.

28 Tao amin'ny varavarankely no nitsirihan'ny renin'i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin'ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian'ny kalesiny?

29 Izay hendry tamin'ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe:

30 Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo.Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.

31 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.

<< ← Prev Top Next → >>