Ny Baibol, Mpitsara, Chapter 7. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10218&pid=9&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Mpitsara

Ny Baibol

Josoa Mpitsara Rota

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21

1 Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharano Haroda; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan'ny havoana More.[Haroda = Fangovitana; izahao and.3]

2 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.

3 Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan'ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.

4 Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.

5 Ary dia nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin'ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.

6 Ary telon-jato lahy no isan'izay nanainga ny tànany tamin'ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.

7 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin'ny fonenany avy.

8 Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.[Na: Ary nitondra ny vatsin'ny olona ireo]

9 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mitsangàna, midina ho any amin'ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io.

10 Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin'ny toby Pora zatovonao;

11 dia ho renao izay lazain'ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin'ny toby. Dia nidina niaraka tamin'i Pora zatovony izy ho any an-tsisin'ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin'ny toby.

12 Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.

13 Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny tobin'ny Midina ka nankamin'ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.

14 Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.

15 Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana.

16 Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin'ny siny.

17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.

18 Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An'i Jehovah sy Gideona!

19 Dia nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.

20 Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona!

21 Ary samy nijanona teo amin'ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.

Mpitsara 7:21 - Gideon Defeats the Midianites
Gideon Defeats the Midianites
22 Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin'i Jehovah tamin'ny sabatra ny miaramila eran'ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin'ny fari-tanin'i Abela-mehola akaiky an'i Tabata.

23 Dia nivory ny lehilahy amin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.

24 Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.

25 Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.

<< ← Prev Top Next → >>