Ny Baibol, Mpitsara, Chapter 10. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10221&pid=9&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Mpitsara

Ny Baibol

Josoa Mpitsara Rota

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21

1 [Ny tantaran'i Tola sy Jaïra] Ary taorian'i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy tamin'ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy.

2 Ary nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.

3 Ary nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona.

4 Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin'ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo.[Havota-jaïra = Tanàna madinika an'i Jaïra]

5 Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona.

6 [Ny nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr'i Syria sy ny andriamanitr'i Sidona sy ny andriamanitr'i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak'i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an'i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.

7 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'ny Filistina sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona Izy.

8 Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak'Isiraely ireo tamin'izany taona izany: valo ambin'ny folo taona no nampahoriany ny Zanak'Isiraely rehetra, izay tany an-dafin'i Jordana, tany amin'ny tanin'ny Amorita any Gileada.

9 Ary nita an'i Jordana ny taranak'i Amona mba hiady koa amin'ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak'i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.

10 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an'Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.

11 Ary hoy Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak'i Amona ary ny Filistina va Aho?

12 Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin'ny tànany.

13 Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.

14 Mandehana, ka mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny andron'ny fahantranareo.

15 Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.

16 Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely.

17 [Ny tantaran'i Jefta, sy ny nandreseny ny Amonita] Dia nivory ny taranak'i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tany Mizpa.Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.

18 Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.

<< ← Prev Top Next → >>