Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 1 Mpanjaka

Ny Baibol

2 Samoela 1 Mpanjaka 2 Mpanjaka

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22

1 [Ny amin'ny mpanao raharaham-panjakana, ary ny voninahitr'i Solomona sy ny fahendreny] Ary nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.

2 Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak'i Zadoka, no mpisorona; [Na: zanak'i Zadoka mpisorona]

3 Elihorefa sy Ahia, zanak'i Sisa, no mpanoratra; Josafata. zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;

4 ary Benaia, zanak'i Joiada, no komandin'ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;

5 ary Azaria, zanak'i Natana, no lehiben'ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak'i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan'ny mpanjaka, [Heb. mpisorona]

6 ary Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak'i Abda, no komandin'ny mpanao fanompoana.

7 Ary Solomona nanendry roa ambin'ny folo lahy ho amin'ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin'ny herintaona izy.

8 Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin'ny tany havoan'i Efraima;

9 Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;

10 Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;

11 Ben'abinadaba tao amin'ny havoan'i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin'i Solomona, no vadiny);

12 Bana, zanak'i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan'i Zaretana, ambanin'i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr'i Jokneama no azy.

13 Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an'i Jaïra, zanak'i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina; [Havota-jaïra; izahao Nom. xxxii. 41]

14 Ahinadaba, zanak'Ido, tany Mahanaima;

15 Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an'i Basemata, zanakavavin'i Solomona;

16 Bana, zanak'i Hosay, tany Asera sy Alota;

17 Josafata, zanak'i Paroa, tany Isakara;

18 Simey, zanak'i Ela, tany Benjamina;

19 Gabera, zanak'i Ory, tany amin'ny tany Gileada, tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin'izany tany izany.Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.

20 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.

<< ← Prev Top Next → >>