Ny Baibol, 1 Tantara, Chapter 9. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10347&pid=15&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 1 Tantara

Ny Baibol

2 Mpanjaka 1 Tantara 2 Tantara

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29

1 [Ny amin'ny mponina tany Jerosalema talohan'ny namaboana azy] Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.

2 Ary ny mponina taloha tamin'ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.

3 Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:

4 dia Otahy, zanak'i Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry, zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza, zanak'i Joda.

5 Ary tamin'ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.

6 Ary tamin'ny taranak'i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.

7 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina dia Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Hodavia, zanak'i Hasenoa,

8 sy Jibnia, zanak'i Jerohama, sy Elaha, zanak'i Ozy, zanak'i Mikry, sy Mesolama, zanak'i Sefatia, zanak'i Regoela, zanak'i Jibnia;

9 ary ny isan'ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany avy.

10 Ary tamin'ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina

11 sy Azaria, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra,

12 ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia, ary Masay, zanak'i Adiela, zanak'i Jazera, zanak'i Mesolama, zanak'i Mesilemita, zanak'Imera.

13 Ary ny rahalahin'ireo, izay samy lohan'ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin'ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra ireo.

14 Ary tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, tamin'ny taranak'i Merary,

15 ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zikry, zanak'i Asafa,

16 ary Obadia, zanak'i Semaia, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona, ary Berekia, zanak'i Asa, zanak'i Elkana, izay nonina tamin'ny vohitry ny Netotatita.

17 Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;

18 ambaraka ankehitriny dia ao amin'ny vavahadin'ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin'ny tobin'ny taranak'i Levy.

19 Ary Saloma, zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah.

20 Ary Finehasa, zanak'i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.

21 Ary Zakaria, zanak'i Meselemia, no mpiandry ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

22 Ary ny isan'ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.

23 Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin'ny tranon'i Jehovah, dia ny trano-lay.

24 Teo amin'ny lafiny efatra no nitoeran'ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.

25 Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin'ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.

26 Fa nanao tamin'ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan'ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian'ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon'Andriamanitra koa izy ireo.

27 Ary manodidina ny tranon'Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.

28 Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.

29 Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.

30 Ary ny sasany tamin'ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.

31 Ary Matatia, anankiray tamin'ny Levita, lahimatoan'i Saloma Koraita, no tonian'ny zavatra izay natao tamin'ny fanendasana.

32 Ary ny sasany tamin'ny rahalahiny, tamin'ny taranaky ny Kehatita, no tonian'ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.

33 Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan'ny fianakaviana amin'ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin'izany raharaha izany andro aman'alina izy.

34 Ireo dia lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.

35 [Ny amin'ny fianakavian'i Saoly] Ary tao Gibeona no nonenan'i Jeiela, razamben'ny an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka;

36 ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,

37 dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.

38 Ary Miklota niteraka an'i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.

39 Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

40 Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an'i Mika.

41 Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.[Izahao viii. 35]

42 Ary Ahaza niteraka an'i Jara; ary Jara niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;

43 ary Moza niteraka an'i Binea; ary Refaia no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Refaia, Azela no zanakalahin'i Elasa.Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.

44 Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.

<< ← Prev Top Next → >>