Ny Baibol, 1 Tantara, Chapter 13. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10351&pid=15&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 1 Tantara

Ny Baibol

2 Mpanjaka 1 Tantara 2 Tantara

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29

1 [Ny namindrana ny fiara niala tao Kiriata-jearima, sy ny nitoerany tao an-tranon'i Obed-edoma] Ary Davida naka saina tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,

2 Ka hoy Davida tamin'ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin'i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra ary amin'ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin'ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;

3 Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran'Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin'ny andron'i Saoly izany.

4 Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason'ny olona rehetra izany.

5 Dia novorin'i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin'i Hamata haka ny fiaran'Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.

6 Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran'i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin'ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.

7 Ary nentiny tamin'ny sariety vaovao niala tao an-tranon'i Abinadaba ny fiaran'Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety.

8 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.

9 Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran'ny omby izany.

10 Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra izy.

11 Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran'izany tany izany mandraka androany.[Na: nalahelo][Perez-oza = Famelezana an'i Oza]

12 Ary Davida natahotra an'Andriamanitra tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran'Andriamanitra ho atỳ amiko?

13 Dia tsy nafindran'i Davida ho ao aminy ao an-tanànan'i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon'i Obededoma Gatita.Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.

14 Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.

<< ← Prev Top Next → >>