Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 1 Tantara

Ny Baibol

2 Mpanjaka 1 Tantara 2 Tantara

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29

1 Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin'ny taranak'i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an'i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an'i Raba, ka dia nandrava azy.

2 Dia nesorin'i Davida ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.[Na: Malkama; ]

3 Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin'ny tsofa sy tamin'ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon'i Davida tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Heb. notsofiny]

4 [Ny nataon'ny lehilahy maherin'i Davida tamin'ny niadiany tamin'ny Filistina] Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin'ny Filistina tao Gazera; tamin'izany no namonoan'i Sibekay Hosatita an'i Sipay, izay isan'ny taranaky ny Refaita, ka dia naetriny ny Filistina.

5 Ary dia nisy ady tamin'ny Filistina indray ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy, rahalahin'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.

6 Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan'ny taranaky ny Refaita.

7 Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.Ireo no taranaky ny Refaita tao Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo.

8 Ireo no taranaky ny Refaita tao Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo.

<< ← Prev Top Next → >>