Ny Baibol, 2 Tantara, Chapter 1. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10368&pid=16&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 2 Tantara

Ny Baibol

1 Tantara 2 Tantara Ezra

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36

1 [Fanatitra nataon'i Solomona, ary nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona] Ary Solomona, zanak'i Davida, dia nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.

2 Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana,

3 ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra.

4 Fa fiaran'Andriamanitra efa nampakarin'i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin'izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.

5 Ary alitara varahina izay nataon'i Bezalila, zanak'i Ory zanak'i Hora, dia teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao. [Na: azy]

6 Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin'ny alitara varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.

7 Tamin'ny alin'iny no nisehoan'Andriamanitra tamin'i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.

8 Dia hoy Solomona tamin'Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.

9 Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô. aoka ho tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin'ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.

10 Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?

11 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,

12 dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.

13 Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin'ny Isiraely izy.

14 [Ny amin'ny nanangonan'i Solomona soavaly aman-kalesy mbamin'ny harena be] Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin'ireny tanàna fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.

15 Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka. [Heb. Sefela]

16 Avy tany Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry.

17 Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.[Ny niomanan'i Solomona hanao ny tempoly] Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.

18 [Ny niomanan'i Solomona hanao ny tempoly] Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.

<< Prev Top Next → >>