Ny Baibol, 2 Tantara, Chapter 3. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10370&pid=16&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 2 Tantara

Ny Baibol

1 Tantara 2 Tantara Ezra

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36

1 [Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba azy] Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.

2 Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin'ny andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona fahefatra nanjakany.

3 Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.

4 Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.

5 Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika. [palma]

6 Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.

7 Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.

8 Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy

9 Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.

10 Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.

11 Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;

12 ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.

13 Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.

14 Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany.

15 Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.

16 Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]

17 Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]

<< ← Prev Top Next → >>