Ny Baibol, 2 Tantara, Chapter 7. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10374&pid=16&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 2 Tantara

Ny Baibol

1 Tantara 2 Tantara Ezra

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36

1 Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.

2 Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah, satria feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranony.

3 Ary nony hitan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitr'i Jehovah teo ambonin'ny trano, dia niankohoka tamin'ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an'i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.

4 Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan'i Jehovah.

5 Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'Andriamanitra.

6 Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon'i Jehovah, izay nataon'i Davida mpanjaka hiderana an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain'i Davida nidera an'Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo.

7 Ary Solomona nanamasina ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon'i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora.

8 Ary tamin'izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.

9 Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.

10 Ary nony tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.

11 [Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Toy izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana, ary samy nataon'i Solomona lavorary avokoa zay rehetra efa voaheviny hatao tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-dapany.

12 Ary Jehovah niseho tamin'i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra.

13 Koa, indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko,

14 raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.

15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin'ity fitoerana ity;

16 fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran'ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva.

17 Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,

18 dia hampitoeriko ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ny fanekeko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy ho mpanapaka amin'ny Isiraely ianao.

19 Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany

20 dia hongotako amin'ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an'ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin'ny firenena rehetra. [Heb. azy]

21 Ary na dia avo aza ity trano ity, dia ho fitalanjonan'izay rehetra mandalo azy ka hatao hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.

22 Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.

<< ← Prev Top Next → >>