Ny Baibol, 2 Tantara, Chapter 11. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10378&pid=16&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 2 Tantara

Ny Baibol

1 Tantara 2 Tantara Ezra

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36

1 [Ny nanjakan-dRehoboama] Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.

2 Kanjo kosa ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, ka nanao hoe:

3 Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny Isiraely rehetra amin'ny Joda sy ny Benjamina hoe:

4 Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an'i Jeroboama.

5 Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.

6 Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa

7 sy Beti-zora sy Soko sy Adolama

8 sy Gata sy Maresa sy Zifa

9 sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka

10 sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin'ny Joda sy ny Benjamina.

11 Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.

12 Ary tamin'ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.

13 Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin'ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin'ny fari-taniny avy.

14 Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an'i Jehovah,

15 fa nanendry mpisorona ho amin'ny fitoerana avo sy ho an'ny Seïrima ary ho an'ny ombilahy kely izay nataony). [Heb. osilahy; anaran'andriamani-tsi-izy]

16 Ary na iza na iza tamin'ny firenen'Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

17 Ka dia nampahery ny fanjakan'ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak'i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona telo taona izy.

18 Ary Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny,

19 izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.

20 Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin'i Absaloma, izay niteraka an'i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.

21 Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).

22 Ary Abia, zanakalahin'Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.

23 Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.

<< ← Prev Top Next → >>