Ny Baibol, 2 Tantara, Chapter 13. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10380&pid=16&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 2 Tantara

Ny Baibol

1 Tantara 2 Tantara Ezra

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36

1 [Ny nanjakan'i Abia] Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.

2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama.

3 Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.

4 Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:

5 Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i Davida mandrakizay ny fanjakan'ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny fanekena nasiantsira.

6 Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka niodina tamin'ny tompony.

7 Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak'Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.

8 Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo.

9 Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon'ny firenena amin'ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr'ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin'ireo tsi-Andriamanitra.

10 Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;

11 ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin'ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin'ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain'i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy.

12 Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak'isiraely ô, aza miady amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.

13 Fa nasain'i Jeroboama nanompirana no fandehan'ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan'ny Joda, ary ny otrika teo ivohony.

14 Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra.

15 Dia nihoby ny lehilahy amin'ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an'i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan'i Abia sy ny Joda.

16 Ary ny Zanak'isiraely nandositra niala teo anoloan'ny Joda; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tànany,

17 ka nahafatesan'i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin'ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina.

18 Toy izany no nampietrena ny Zanak'isiraely fahizay; ary ny taranak'i Joda no nahery, satria niankina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.

19 Ary Abia nanenjika an'i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin'ny zana-bohiny sy Jesana mbamin'ny zana-bohiny ary Efrona mbamin'ny zana-bohiny. [Na: Efraima]

20 Ary Jeroboama tsy naharina intsony tamin'ny andron'i Abia; ary Jehovah namely azy, ka dia maty izy.

21 Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin'ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin'ny folo.

22 Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'ny nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'Ido mpaminany.[Ny niandohan'ny nanjakan'i Asa, sy ny nandravany ny fombam-pivavahana tsy marina, ary ny nandreseny ny Etiopiana] Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin'ny andron'i Asa dia nandry folo taona ny tany.

23 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Asa, sy ny nandravany ny fombam-pivavahana tsy marina, ary ny nandreseny ny Etiopiana] Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin'ny andron'i Asa dia nandry folo taona ny tany.

<< ← Prev Top Next → >>