Ny Baibol, 2 Tantara, Chapter 19. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10386&pid=16&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 2 Tantara

Ny Baibol

1 Tantara 2 Tantara Ezra

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36

1 Ary Josafata, mpanjakan'ny Joda, niverina soa aman-tsara ho any an-tranony tany Jerosalema.

2 Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak'i Hanany mpahita, ka nanao tamin'i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an'i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah.

3 Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin'ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an'Andriamanitra ianao.

4 [Ny nataon'i Josafata hahatsara ny fitondram-panjakana] Ary Josafata nitoetra tany Jerosalema; ary nandeha hitety ny olona indray izy hatrany Beri-sheba ka hatrany amin'ny tany havoan'i Efraima ary nampiverina ny olona ho amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.

5 Ary nanendry mpitsara tamin'ny tany izy, dia tamin'ny isan-tanàna mimanda eran'i Joda,

6 ka nanao taminy hoe: Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an'olona no hitsaranareo, fa ho an'i Jehovah, sady momba anareo ao amin'ny fitsarana Izy.

7 Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an'i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin'i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana kolikoly.

8 Ary tany Jerosalema koa no nanendren'i Josafata ny sasany tamin'ny Levita sy ny mpisorona ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely ho amin'ny fitsaran'i Jehovah sy ny adin'olona (fa efa tafaverina tany Jerosalema izy tamin'izay)

9 ka dia nandidy azy hoe: Izao no hataonareo amin'ny fahatahorana an'i Jehovah sy amin'ny fahamarinana ary amin'ny fo mahitsy:

10 Na inona na inona no ady avy amin'ny rahalahinareo izay monina amin'ny tanànany, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny amin'ny hevitry ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika samy hafa, dia anaro izy mba tsy ho meloka amin'i Jehovah, fandrao iharan'ny fahatezerana ianareo sy ny rahalahinareo; izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin'ny raharahan'i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak'Isimaela, mpanapaka ny taranak'i Joda, ho lehibenareo amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.

11 Ary, indro, Amaria mpisoronabe no ho lehibenareo amin'ny raharahan'i Jehovah rehetra; ary Zebadia, zanak'Isimaela, mpanapaka ny taranak'i Joda, ho lehibenareo amin'ny raharahan'ny mpanjaka rehetra kosa; ary ny Levita ho mpifehy hanampy anareo. Mahereza, ka mahefà; ary Jehovah anie homba izay tsara.

<< ← Prev Top Next → >>