Ny Baibol, 2 Tantara, Chapter 31. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10398&pid=16&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 2 Tantara

Ny Baibol

1 Tantara 2 Tantara Ezra

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36

1 [Ny nandravan'ny olona ny zavatra momba ny sampy, sy ny nandaminan'i Hezekia ny fanompoam-pivavahana] Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan'ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran'i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak'isiraely rehetra.

2 Ary Hezekia nanendry ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin'ny vavahadin'ny tobin'i Jehovah.

3 Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin'ny Sabata sy amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Jehovah.

4 Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran'ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin'ny lalàn'i Jehovah.

5 Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak'isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin'ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.

6 Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan'ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman'osy, ary ny fahafolon'ny zavatra masina izay nohamasinina ho an'i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny.

7 Tamin'ny volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin'ny volana fahafito no nahavitany azy.

8 Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an'i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.

9 Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin'ireo niavosa ireo.

10 Ary Azaria mpisoronabe, taranak'i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin'ny niandohan'ny nitondran'ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon'i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.

11 Ary nasain'i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin'ny tranon'i Jehovah izy; dia namboariny izany.

12 Ary tamin'ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.

13 Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin'i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian'ireny, araka ny didin'i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.

14 Ary Kore Levita, zanak'i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian'ny fanati-tsitrapo ho an'Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an'i Jehovah sy ny zava-masina indrindra.

15 Ary ny fehin'i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin'ny tanànan'ny mpisorona; ary adidin'ireo ny hizara ho an'ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,

16 afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin'ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao an-tranon'i Jehovah handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin'ny anjara-raharahany araka ny antokony avy.

17 Ary ny amin'ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy.

18 Ary nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin'ny zananilahy sy ny zananivavy rehetra; fa tamin'ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin'ny zavatra masina.

19 Ary ho an'ny mpisorona, taranak'i Arona, koa, izay tany amin'ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana tamin'ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.

20 Ary toy izany no nataon'i Hezekia eran'i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin'ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an'Andriamaniny dia nataony tamin'ny fony rehetra, fa nambinina izy

21 Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin'ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an'Andriamaniny dia nataony tamin'ny fony rehetra, fa nambinina izy

<< ← Prev Top Next → >>