Ny Baibol, 2 Tantara, Chapter 36. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10403&pid=16&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / 2 Tantara

Ny Baibol

1 Tantara 2 Tantara Ezra

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36

1 [Ny nanjakan'i Joahaza sy Joiakima sy Joiakina ary Zedekia, sy ny nandravana an'i Jerosalema, ary ny nitondrana ny olona ho babo tany Babylona] Ary ny vahoaka naka an'i Joahaza, zanak'i Josia, ka nampanjaka azy tany Jerosalema handimby an-drainy.

2 Telo amby roa-polo taona loahaza, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema.

3 Ary nesorin'ny mpanjakan'i Egypta tany Jerosalema izy, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.

4 Ary ny mpanjakan'i Egypta nampanjaka an'i Eliakima, rahalahin'i Joahaza, tamin'ny Joda sy Jerosalema, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka nentiny ho any Egypta.

5 Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy.

6 Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin'ny gadra varahina mba hitondra azy ho any Babylona.

7 Ary ny fanaka sasany tao an-tranon'i Jehovah dia nentin'i Nebokadnezara ho any Babylona koa ka nataony tao amin'ny tempoliny tany Babylona.

8 Ary ny tantaran'i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin'izay toetoeny rehetra, dia, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany; ary Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.

9 Valo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy. [Na: Valo ambin'ny folo, izahao 2 Mpan. xxiv. 8]

10 Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin'ny fanaka tsara tao an-tranon'i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an'i Zedekia rahalahin-drainy tamin'ny Joda sy Jerosalema izy.[Heb. rahalahiny]

11 Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.

12 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin'Andriamanitra.

13 Ary nikomy tamin'i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin'Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin'Andriamanitry ny Isiraely.

14 Ary ny lehibe rehetra tamin'ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny jentilisa ka nandoto ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.

15 Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin'ny olony sy ny fonenany.

16 Kanjo ny olona nihomehy ireny irak'Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran'i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.

17 Koa nentiny namely azy ny mpanjakan'ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin'ny sabatra tao an-trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.

18 Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.

19 Dia nodorany koa ny tranon'Andriamanitra, ary noravany ny mandan'i Jerosalema; ny lapan'andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin'ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany.

20 Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentiny ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan'ny mpanjakan'i Persia,

21 hanatanterahana ny tenin'i Jehovah nampilaza.na an'i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin'ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.[Izaho Lev xxvi. 34]

22 [Ny teny nataon'i Kyrosy nandefasana ny Jiosy hody ho any an-tanindrazana] Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Perisa, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy mpanjakan'i Persia. mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.

23 Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.

<< ← Prev Top Next >>