Ny Baibol, Nehemia, Chapter 11. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10424&pid=18&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Nehemia

Ny Baibol

Ezra Nehemia Estera

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13

1 Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.

2 Ary nisaoran'ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema.

3 Ary izao no ben'ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan'ny Joda samy nonina tao amin'ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona.

4 Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany tamin'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Benjamina. Ny avy tamin'ny taranak'i Joda dia Ataia, zanak'i Ozia, zanak'i Zakaria, zanak'i Amaria, zanak'i Sefatia, zanak'i Mahalalila, avy tamin'ny taranak'i Fareza;

5 ary Mahaseia, zanak'i Baroka, zanak'i Kola-hoze, zanak'i Hazaia, zanak'i Adaia, zanak'i Joariba, zanak'i Zakaria, zanak'ilay Silonita.

6 Ny taranak'i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato.

7 Ary izao no taranak'i Benjamina: Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Joeda, zanak'i Pedaia, zanak'i Kolaia, zanak'i Mahaseia, zanak'Itiela,zanak'i Jesaia;

8 ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato.

9 Ary Joela, zanak'i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak'i Senoa, no lefitry ny komandin'ny tanàna.

10 Ny avy tamin'ny mpisorona dia Jedaia, zanak'i Joariba, ary Jakina.

11 Ary Seraia, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.

12 Ary ny rahalahin'ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pelalia, zanak'i Amzy, zanak'i Zakaria, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia,

13 ary ny rahalahiny, izay samy lohan'ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak'i Azarela, zanak'i Ahazay, zanak'i Mesilemota, zanak'Imera,

14 mbamin'ny rahalahin'ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak'i Hagedolima, no mpifehy azy.

15 Ary ny avy tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, zanak'i Bony;

16 ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin'ny lohan'ny Levita, no tonian'ny raharaha teo ivelan'ny tranon'Andriamanitra.

17 Ary Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zabdy, zanak'i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin'ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak'i Samoa, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona.

18 Ny Levita rehetra tao an-tanàna masina dia efatra amby valo-polo amby roan-jato.

19 Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin'ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato.

20 Ary ny sisa tamin'ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin'ny zara-taniny avy.

21 Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.

22 Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin'ny raharaha momba ny tranon'Andriamanitra dia Ozy, zanak'i Bany, zanak'i Hasabia, zanak'i Matania, zanak'i Mika, isan'ny mpihira, taranak'i Asafa.

23 Fa ny didin'ny mpanjaka ny amin'ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan'andro.

24 Ary Petahia, zanak'i Mesezabela, isan'ny taranak'i Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin'ny olona.

25 Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,

26 ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta

27 sy Hazarasoala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,

28 ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny,

29 ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota

30 sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin'ny lohasahan'i Himona izy.

31 Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,

32 ary tany Anatota sy Noba sy Anania

33 sy Hazora sy Rama sy Gitaima

34 sy Hadida sy Zeboima sy Nebala

35 sy Loda sy Ono, lohasahan'ny mahay tao-zavatra.Ary tao amin'ny Benjamina nisy Levita, izay isan'ny antokon'ny Joda.

36 Ary tao amin'ny Benjamina nisy Levita, izay isan'ny antokon'ny Joda.

<< ← Prev Top Next → >>