Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Salamo

Ny Baibol

Joba Salamo Ohabolana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 69 70 71 72 73 74 75 76 77 78 79 80 81 82 83 84 85 86 87 88 89 90 91 92 93 94 95 96 97 98 99 100 101 102 103 104 105 106 107 108 109 110 111 112 113 114 115 116 117 118 119 120 121 122 123 124 125 126 127 128 129 130 131 132 133 134 135 136 137 138 139 140 141 142 143 144 145 146 147 148 149 150

1 [Ny mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?

2 Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:

3 Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."

4 Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.

5 Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:

6 Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."

7 Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.

8 Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.

9 Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy."

10 Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.

11 Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

12 Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

<< ← Prev Top Next → >>