Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Salamo

Ny Baibol

Joba Salamo Ohabolana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 69 70 71 72 73 74 75 76 77 78 79 80 81 82 83 84 85 86 87 88 89 90 91 92 93 94 95 96 97 98 99 100 101 102 103 104 105 106 107 108 109 110 111 112 113 114 115 116 117 118 119 120 121 122 123 124 125 126 127 128 129 130 131 132 133 134 135 136 137 138 139 140 141 142 143 144 145 146 147 148 149 150

1 [Salamo hatao amin'ny maraina, milaza ny amin'ny olona mahazo manatona an'Andriamanitra, sy ny hitsarana ny ratsy fanahy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.

2 Henoy ny feon'ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.

3 Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.[Heb: handaharako]

4 Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.

5 Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.

6 Haringanao ny mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho zava-betaveta.

7 Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho.

8 Jehovah ô, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ny amin'ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.

9 Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.[Na: lavaka mitanatana]

10 Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany, satria efa niodina taminao.

11 Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.

12 Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.

<< ← Prev Top Next → >>