Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Salamo

Ny Baibol

Joba Salamo Ohabolana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 69 70 71 72 73 74 75 76 77 78 79 80 81 82 83 84 85 86 87 88 89 90 91 92 93 94 95 96 97 98 99 100 101 102 103 104 105 106 107 108 109 110 111 112 113 114 115 116 117 118 119 120 121 122 123 124 125 126 127 128 129 130 131 132 133 134 135 136 137 138 139 140 141 142 143 144 145 146 147 148 149 150

1 [Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy] Ho an'ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.

2 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,

3 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.

4 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.

5 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.

6 Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka ho mandrakizay ny fandravana]

7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,

8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy.

9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy.

10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.

11 Mankalazà an'i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin'ny firenena ny asany.

12 Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.

13 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana,

14 Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no hifaliako amin'ny famonjenao.

15 Ny jentilisa efa latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,

16 Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny asan'ny tànany Izy.

17 Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola]

18 Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny mahantra.

19 Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Na: fampianarana]

20 Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Na: fampianarana]

<< ← Prev Top Next → >>