Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Salamo

Ny Baibol

Joba Salamo Ohabolana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 69 70 71 72 73 74 75 76 77 78 79 80 81 82 83 84 85 86 87 88 89 90 91 92 93 94 95 96 97 98 99 100 101 102 103 104 105 106 107 108 109 110 111 112 113 114 115 116 117 118 119 120 121 122 123 124 125 126 127 128 129 130 131 132 133 134 135 136 137 138 139 140 141 142 143 144 145 146 147 148 149 150

1 [Fitarainana nataon'izay navadiky ny sakaizany nahatoky azy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny fitarainako.

2 Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,

3 Noho ny feon'ny fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy.

4 Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.

5 Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.

6 Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;

7 Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra.

8 Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.

9 Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.

10 Hodidininy andro aman'alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;

11 Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny.

12 Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;

13 Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,

14 Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra.

15 Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany. [Na: Aoka hahazo azy ny fandringanana][Heb: Sheola][Na: Fa hevi-dratsy ny ao amin'ny firaketany, dia ao am-pony]

16 Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.

17 Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,

18 Ka hanavotra ny fanahiko ho amin'ny fiadanana hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no miady amiko.

19 Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an'Andriamanitra.

20 Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.

21 Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.

22 Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.

23 Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.

<< ← Prev Top Next → >>