Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Salamo

Ny Baibol

Joba Salamo Ohabolana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 69 70 71 72 73 74 75 76 77 78 79 80 81 82 83 84 85 86 87 88 89 90 91 92 93 94 95 96 97 98 99 100 101 102 103 104 105 106 107 108 109 110 111 112 113 114 115 116 117 118 119 120 121 122 123 124 125 126 127 128 129 130 131 132 133 134 135 136 137 138 139 140 141 142 143 144 145 146 147 148 149 150

1 [Ny amin'ny famaliana ny mpanao fitsarana tsy marina] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak'olombelona?[Na: Moa milaza ny maraina tokoa va ianareo, ry mahery?]

2 Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan'ny tananareo etỳ an-tany ianareo.

3 Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.

4 Misy poizina tahaka ny an'ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,

5 Ka tsy mihaino ny feon'ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.

6 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan'ny liona tanora, Jehovah ô.

7 Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;

8 Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.

9 Dieny tsy mbola mafanan'ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin'ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.

10 Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy;Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]

11 Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an'ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin'ny tany.[Heb: vokatra]

<< ← Prev Top Next → >>