Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Salamo

Ny Baibol

Joba Salamo Ohabolana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 69 70 71 72 73 74 75 76 77 78 79 80 81 82 83 84 85 86 87 88 89 90 91 92 93 94 95 96 97 98 99 100 101 102 103 104 105 106 107 108 109 110 111 112 113 114 115 116 117 118 119 120 121 122 123 124 125 126 127 128 129 130 131 132 133 134 135 136 137 138 139 140 141 142 143 144 145 146 147 148 149 150

1 [Ny fahakaikin'ny Mpitsara, sy ny kapoaky ny fahatezerany] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.

2 Fa ho avy tokoa amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.

3 Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.

4 Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;[Na: Hoy izaho tamin'ny adala: Aza manao adala]

5 Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.

6 Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.[Na: Na avy amin'ny efitra ny tendrombohitra no ihavian'ny fitsarana]

7 Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.

8 Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.[Na: mena]

9 Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.

10 Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.

<< ← Prev Top Next → >>