Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Salamo

Ny Baibol

Joba Salamo Ohabolana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 69 70 71 72 73 74 75 76 77 78 79 80 81 82 83 84 85 86 87 88 89 90 91 92 93 94 95 96 97 98 99 100 101 102 103 104 105 106 107 108 109 110 111 112 113 114 115 116 117 118 119 120 121 122 123 124 125 126 127 128 129 130 131 132 133 134 135 136 137 138 139 140 141 142 143 144 145 146 147 148 149 150

1 [Alahelo ny tranon'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon'ny Koraita. Endrey ny hatsaran'ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô!

2 Manina sady vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an'Andriamanitra velona.

3 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.

4 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy.

5 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;

6 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.[Baka = Fitomaniana]

7 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy rehetra.

8 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr'i Jakoba ô.

9 Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan'ny voahosotrao.

10 Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain'ny ratsy fanahy.

11 Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen'i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy.Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.

12 Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.

<< ← Prev Top Next → >>