Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Salamo

Ny Baibol

Joba Salamo Ohabolana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 69 70 71 72 73 74 75 76 77 78 79 80 81 82 83 84 85 86 87 88 89 90 91 92 93 94 95 96 97 98 99 100 101 102 103 104 105 106 107 108 109 110 111 112 113 114 115 116 117 118 119 120 121 122 123 124 125 126 127 128 129 130 131 132 133 134 135 136 137 138 139 140 141 142 143 144 145 146 147 148 149 150

1 [Vavaka nataon'ny mpanompon'Andriamanitra, fony nenjehin'ny mpirehareha izy] Fivavak'i Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.

2 Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.

3 Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.

4 Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.

5 Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.

6 Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.

7 Amin'ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.

8 Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin'ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.

9 Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.

10 Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.

11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.

12 Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.

13 Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra.[Heb. Shoela]

14 Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.

15 Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.

16 Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.

17 Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.

<< ← Prev Top Next → >>