Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Salamo

Ny Baibol

Joba Salamo Ohabolana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 69 70 71 72 73 74 75 76 77 78 79 80 81 82 83 84 85 86 87 88 89 90 91 92 93 94 95 96 97 98 99 100 101 102 103 104 105 106 107 108 109 110 111 112 113 114 115 116 117 118 119 120 121 122 123 124 125 126 127 128 129 130 131 132 133 134 135 136 137 138 139 140 141 142 143 144 145 146 147 148 149 150

1 [Fitarainana amin'Andriamanitra noho ny fampahoriana ataon'ny lozabe] Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.

2 Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.

3 Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?

4 Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.

5 Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;

6 Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny

7 Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba.

8 Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?

9 Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?[Heb. Mpamboly]

10 Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?

11 Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.

12 Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao,

13 Mba homenao fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy.

14 Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.

15 Fa ny fitsarana hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra

16 Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?

17 Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko.

18 Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.

19 Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.

20 Hikambana aminao va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna? [Na: Izay misaina fampahoriana araka ny lalàny]

21 Manao andiany hamely ny fanahin'ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.

22 Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy.

23 Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy.

<< ← Prev Top Next → >>