Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Salamo

Ny Baibol

Joba Salamo Ohabolana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 69 70 71 72 73 74 75 76 77 78 79 80 81 82 83 84 85 86 87 88 89 90 91 92 93 94 95 96 97 98 99 100 101 102 103 104 105 106 107 108 109 110 111 112 113 114 115 116 117 118 119 120 121 122 123 124 125 126 127 128 129 130 131 132 133 134 135 136 137 138 139 140 141 142 143 144 145 146 147 148 149 150

1 [Fisaorana nataon'izay saiky maty, nefa novonjen'Andriamanitra] Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandre Ny feon'ny fifonako Izy.

2 Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.

3 Nihodidina tamiko ny famatoran'ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian'ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. [Heb. Sheola]

4 Dia niantso ny anaran'i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.

5 Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.

6 Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.

7 Miverena ho amin'ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,

8 Dia namonjy ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin'ny ranomaso Ary ny tongotro tamin'ny fahatafintohinana.

9 Handeha eo anatrehan'i Jehovah Eo amin'ny tanin'ny velona aho.

10 Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.[Na: fa hiteny aho]

11 Hoy izaho tamin'ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.

12 Inona no havaliko an'i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?

13 Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran'i Jehovah.

14 Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra.

15 Zava-dehibe eo imason'i Jehovah Ny fahafatesan'ny olony masina.

16 Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.

17 Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran'i Jehovah no hantsoiko.

18 Hanefa ny voadiko amin'i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan'ny olony rehetra,Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.

19 Dia eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.

<< ← Prev Top Next → >>