1 [Fitarainana ataon'ny olona miara-mitoetra amin'izay tia ady] Fihirana fiakarana. Jehovah no nitarainako tamin'ny fahoriako dia namaly ahy Izy,[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga, Eny, amin'ny lela mamitaka
3 Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?
4 Zana-tsipìkan'ny mahery sady voaranitra, Mbamin'ny vain'afon'anjavidy.[Izahao 1 Mpan. xix. 4]
5 Lozako, fa mivahiny eto amin'ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain'ny Kedarita!
6 Ela loatra izay no nitoeran'ny fanahiko teo amin'Izay tsy tia fihavanana.Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.
7 Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny. |