1 [Fiononam-po sy fiankinana amin'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
2 Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.Ry Isiraely ô, manantenà an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
3 Ry Isiraely ô, manantenà an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. |