Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Salamo

Ny Baibol

Joba Salamo Ohabolana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 69 70 71 72 73 74 75 76 77 78 79 80 81 82 83 84 85 86 87 88 89 90 91 92 93 94 95 96 97 98 99 100 101 102 103 104 105 106 107 108 109 110 111 112 113 114 115 116 117 118 119 120 121 122 123 124 125 126 127 128 129 130 131 132 133 134 135 136 137 138 139 140 141 142 143 144 145 146 147 148 149 150

1 [Vavaka ho an'ny tranon'Andriamanitra sy ny ankohonan'i Davida] Fihirana fiakarana. Jehovah ô, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra,[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2 Dia ilay nianiana tamin'i Jehovah Sy nivoady tamin'ny Maherin'i Jakoba hoe:

3 Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin'ny farafara fandriako,

4 Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,

5 Mandra-pahitako fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.

6 Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin'ny saha anaty ala isika.[Na: tany an-tsahan'i Jara]

7 Aoka hiditra any amin'ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin'ny fitoeran-tongony.

8 Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin'ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao.

9 Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masina hihoby.

10 Noho ny amin'i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan'ny voahosotrao.

11 Jehovah efa nianiana tamin'i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin'ny seza fiandriananao.

12 Raha hotandreman'ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.

13 Fa Jehovah efa nifidy an'i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.

14 Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.

15 Hotahiko tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.

16 Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masina ao.

17 Ao no hampitsimohako tandroka ho an'i Davida Sy hanamboarako jiro ho an'ny voahosotro.Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.

18 Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.

<< ← Prev Top Next → >>