Ny Baibol, Ohabolana, Chapter 9. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10637&pid=22&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Ohabolana

Ny Baibol

Salamo Ohabolana Mpitoriteny

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31

1 [Ny fiantsoan'ny fahendrena sy ny fahadalana] Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;

2 Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;

3 Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:

4 Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy:

5 Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.

6 Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana.[Na: Mitsahara, ry]

7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.

8 Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.

9 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.

10 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.

11 Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.

12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany.

13 Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.

14 Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna,

15 Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe:

16 Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:

17 Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana,Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.[Heb: Shoela]

18 Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.[Heb: Shoela]

<< ← Prev Top Next → >>