Ny Baibol, Ohabolana, Chapter 29. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10657&pid=22&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Ohabolana

Ny Baibol

Salamo Ohabolana Mpitoriteny

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31

1 Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.

2 Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.

3 Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena.

4 Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.[Na: mampandoa harena]

5 Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.

6 Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.

7 Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.

8 Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.[Heb. mampirehitra]

9 Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.[Na: Raha hendry miady amin'adala, na tezitra izy, na mihomehy, dia tsy misy fitsaharana]

10 Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.[Na: Ary mitady ny ain'ny mahitsy]

11 Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.

12 Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.

13 Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta.[Na: mpampanana vola]

14 Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.

15 Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.

16 Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.

17 Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao.

18 Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.

19 Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.[Heb. tsy misy valiny]

20 Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.

21 Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.

22 Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.

23 Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.

24 Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.

25 Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.[Heb. hatao amin'ny avo]

26 Maro no mila sitraka amin'ny mpanapaka; Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona.[Heb. mitady ny tavan']Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.

27 Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.

<< ← Prev Top Next → >>