Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Tonon-kiran’i Solomona

Ny Baibol

Mpitoriteny Tonon-kiran’i Solomona Isaia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8

1 Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian'ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy.

2 Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian'ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.

3 Hitan'ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian'ny fanahiko iny?

4 Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian'ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon'ineny, dia any amin'ny efi-tranon'ilay niteraka ahy.

5 Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]

6 [Ny amin'ny nampakarana an-dravehivavy] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin'ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin'ny vovoka manitra samy hafa entin'ny mpandranto?

7 Indro ny filanjan'i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin'ny lehilahy mahery amin'ny Isiraely, no manotrona azy.[Heb. farafara]

8 An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin'ny alina.

9 Nanao filanjana ho azy Solomona mpanjaka tamin'ny hazo avy any Libanona: [Heb. farafara]

10 Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin'ny fanomezam-pitiavana avy tamin'ny zanakavavin'i Jerosalema.Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, ka mijere an'i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin'ny andro nampakarany vady, dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.

11 Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, ka mijere an'i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin'ny andro nampakarany vady, dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.

<< ← Prev Top Next → >>