Ny Baibol, Isaia, Chapter 1. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10680&pid=25&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Isaia

Ny Baibol

Tonon-kiran’i Solomona Isaia Jeremia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66

1 Ny fahitan'Isaia, zanak'i Amoza, izay hitany ny amin'ny Joda sy Jerosalema tamin'ny andron'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan'ny Joda.

2 [Ny alahelon'i Jehovah noho ny niodinan'ny Isiraely, ary ny nananarany azy sy ny nokasainy hatao aminy] Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.

3 Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.

4 Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.

5 Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.

6 Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy.

7 Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia lanin'ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan'ny fahavalo.[Heb. hafa firenena]

8 Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an'ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.[voantangom-bazaha]

9 Raha tsy nosisan'i Jehovah. Tompon'ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma Ary nitovy tamin'i Gomora.

10 Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.

11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.

12 Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?

13 Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!

14 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.

15 Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona ny tananareo.[Heb. rà nalatsaka]

16 Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;

17 Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena.

18 Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.

19 Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany;

20 Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin'ny sabatra: Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.

21 Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.

22 Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;

23 Ny lehibenao dia mpiodina sady naman'ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.

24 Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.

25 Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin'ny lavenona ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo]

26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.

27 Ziona havotana amin'ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin'ny fahamarinana;[Heb. miverina]

28 Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.

29 Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin'ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin'ny saha izay natokanareo.[Heb. izy]

30 Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.

31 Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.

<< Prev Top Next → >>