Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Isaia

Ny Baibol

Tonon-kiran’i Solomona Isaia Jeremia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66

1 [Ny nanendrena an'Isaia ho mpaminany] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly.

2 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.

3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra.[Na: Voninahiny avokoa ny eran'ny tany]

4 Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano.

5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko.

6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain'afo teny an-tànany, izay nalainy tamin'ny ny tandra avy teo amin'ny alitara.[Na: vato mahamay]

7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.

8 Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.

9 Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.

10 Ataovy adala ny fon'ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.

11 Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;

12 Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin'ny tany;Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.

13 Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.

<< ← Prev Top Next → >>