Ny Baibol, Isaia, Chapter 18. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10697&pid=25&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Isaia

Ny Baibol

Tonon-kiran’i Solomona Isaia Jeremia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66

1 [Ny haneken'ny Etiopiana an'i Jehovah noho ny handrenesany ny nandringanana ny Asyriana] Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia,

2 Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin'ny ony maro ny taniny.[Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indindra; na: mahery mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]

3 Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.

4 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin'ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin'ny hainandro fararano.[Na: Toy ny hainandro mipoaka tsara sy ny][Heb; rahon'ando]

5 Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin'ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.

6 Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any.Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona. [Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]

7 Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona. [Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]

<< ← Prev Top Next → >>