Ny Baibol, Isaia, Chapter 37. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10716&pid=25&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Isaia

Ny Baibol

Tonon-kiran’i Solomona Isaia Jeremia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66

1 [Ny teny nampitondrain'i Sankeriba fanindroany, sy ny vavaka nataon'i Hezekia ary ny teny nampitondrain'Isaia hanome toky azy] Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,

2 ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana avokoa, hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza,

3 ary nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.

4 Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.

5 Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.

6 Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.

7 Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.

8 Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.

9 Ary ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia nanao hoe:

10 Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.

11 Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema]

12 Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena izay tao Telasara ?

13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada sy ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?

14 Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.

15 Ary Hezekia nivavaka tamin'i Jehovah nanao hoe:

16 Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.

17 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain'i Sankeriba hihaika an'Andriamanitra velona.

18 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny [Heb. tany]

19 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.

20 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tànany izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao ry ihany no Jehovah.

21 Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria,

22 dia izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.

23 Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.

24 Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka,

25 Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta. [Heb. Mazora]

26 Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.

27 Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.

28 Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.

29 Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.

30 Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin'ity taona ity ianareo; ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.

31 Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.

32 Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.

33 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.

34 Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.

35 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.

36 Dia avy Ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.

37 Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.

38 Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.

<< ← Prev Top Next → >>