Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Isaia

Ny Baibol

Tonon-kiran’i Solomona Isaia Jeremia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66

1 [Ny handravana an'i Babylona] Mialà, ka mipetraha amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.

2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.

3 Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.[Na: tsy hiera amin'olona; na: tsy hihaona amin'olona]

4 Ny anaran'ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon'ny maro, Iray Masin'ny Isiraely.

5 Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao.

6 Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.

7 Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.

8 Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan'anaka.

9 Kanjo hanjo anao tampoka amin'ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.

10 Fa nitoky tamin'ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.[Na: hafetsenao]

11 Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.[Na: iposahany]

12 Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan'ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.

13 Sasatra noho ny hamaroan'ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao. [Heb. mpizarazara] [Na: Aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao amin'izay hanjo anao]

14 Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin'ny herin'ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.

15 Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.

<< ← Prev Top Next → >>