Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Isaia

Ny Baibol

Tonon-kiran’i Solomona Isaia Jeremia

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52 53 54 55 56 57 58 59 60 61 62 63 64 65 66

1 Dia tahaka ny fandevon'ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.

2 Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra.

3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren'ny olona, na nohenoiny, Na hitan'ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an'ny miandry Azy afa-tsy Hianao. [Na: niempo]

4 Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin'ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; Hatramin'ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va? [Na: Miantra][Na: ary efa nanota]

5 Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,

6 Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.

7 Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan'ny tananao izahay rehetra.

8 Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masina Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.

9 Tonga efitra ireo tanànanao masina, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.

10 Ny tranonay masina sady mendrika, Izay nideran'ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.Ary mbola mahatsindry fo amin'izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?

11 Ary mbola mahatsindry fo amin'izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?

<< ← Prev Top Next → >>