Ny Baibol, Jeremia, Chapter 10. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10755&pid=26&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Jeremia

Ny Baibol

Isaia Jeremia Fitomaniana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52

1 [Ny mahatsinontsinona ny sampy, ary ny fampisehoana ny voninahitr'i Jehovah sy ny fahatezerany] Henoy ny teny izay lazain'i Jehovah aminareo, ry taranak'Isiraely!

2 Izao no lazain'i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon'ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin'ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.[Heb. didin']

3 Fa ny fanaon'ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an'ala ireny, dia asan-tànan'ny mpiasa amin'ny famaky;

4 Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany.

5 Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.[palma]

6 Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao.

7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny, amin'ny hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.

8 Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.

9 Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan'ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan'ny mahay zavatra izy rehetra.

10 Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, ka tsy tantin'ny firenena ny fahavinirany

11 (Izao no holazainareo amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho atỳ ambanin'ny lanitra ireny)

12 Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.

13 Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho amin'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.

14 Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon'aina ao aminy.

15 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.

16 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.

17 Angony ny korontan'entanao, ka ento hiala amin'ny tany, ry ilay mipetraka ao amin'ny haterena!

18 Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton'antsamotady ny mponina amin'ny tany, ary hataoko tery izy mba hahitany.

19 Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany.

20 Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko.

21 Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an'i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia miely ny ondry andrasany rehetra.

22 Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin'ny fihorakorahana be avy any amin'ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan'ny Joda ho lao sy ho fonenan'ny amboadia.

23 Jehovah ô, fantatro fa tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an'ny mpandeha ny hahalavorary ny diany

24 Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin'ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.

25 Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.

<< ← Prev Top Next → >>