Ny Baibol, Jeremia, Chapter 17. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10762&pid=26&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Jeremia

Ny Baibol

Isaia Jeremia Fitomaniana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52

1 Ny fahotan'ny Joda dia voasoratra tamin'ny fanoratana sy tamin'ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin'ny vato fisaka sy eo amin'ny tandroky ny alitarany izany,[Heb. alitaranareo]

2 Dia amin'izay hahatsiarovan'ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin'ny hazo maitso, ambonin'ny havoana andrandraina.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]

3 Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin'ny faritaninao rehetra.

4 Ary avy amin'ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon'ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.[Heb. fa misy afo narehitrareo tamin'ny fahatezerako]

5 [Ny amin'ny fahatokiana olona sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, ary ny vavaka nataon'i Jeremia nangatahany famonjena] Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony.

6 Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin'ny tany sira izay tsy onenana.[Na: ny anjavidy]

7 Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.

8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.

9 Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?

10 Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany

11 Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany, ka ho adala no farany.[Na: Hilaozan'izany eo an-tenatenan'androny izy]

12 Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin'ny voalohany ny fitoera-masintsika.

13 Ry Jehovah, Fanantenan'ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin'ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an'i Jehovah, loharano velona.[Heb. amiko]

14 Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.

15 Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin'i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.

16 Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian'ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin'ny molotro dia miharihary eo anatrehanao.

17 Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin'ny andro fahoriana Hianao!

18 Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.

19 [Ny amin'ny hanamasinana ny Sabata] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin'ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan'ny mpanjakan'ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin'ny vavahady rehetra eto Jerosalema

20 ka lazao amin'ny olona hoe: Henoinareo ny tenin'i Jehovah ry mpanjakan'ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin'ireto vavahady ireto.

21 Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin'ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin'ny vavahadin'i Jerosalema;

22 ary aza mitondra entana mivoaka avy amin'ny tranonareo amin'ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.

23 Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra.

24 Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin'ny vavahadin'ity tanàna ity amin'ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin'izany,

25 izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hiditra amin'ny vavahadin'ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.

26 Ary ho avy ny olona avy amin'ny tanànan'ny Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema sy ny tanin'ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah.[Heb. Sefela]Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.

27 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.

<< ← Prev Top Next → >>