Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Jeremia

Ny Baibol

Isaia Jeremia Fitomaniana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52

1 [Faminaniana ny amin'ny Filistina] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an'i Gaza.

2 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin'izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin'ny tany.

3 Noho ny fikatrokatroky ny kitron'ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon'ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,

4 Noho ny hihavian'ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin'ny nosy Kaftora.

5 Voaharatra Gaza, ringana Askelona mbamin'ny sisa amin'ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao? [Na: Mangina]

6 Indrisy ry sabatr'i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin'ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.[Heb. Hataonao]

7 Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.[Heb. Hataonao]

<< ← Prev Top Next → >>