Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible
Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Ezekiela

Ny Baibol

Fitomaniana Ezekiela Daniela

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48

1 [Ny amin'ireo lehilahy nirahina hamely an'Jerosalema] Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.

2 Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.

3 Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.

4 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko]

5 Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,

6 Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo.

7 Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna.

8 Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely amin'izao ampidinanao ny fahatezeranao amin'i Jerosalema izao?

9 Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak'ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran'olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.

10 Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.[Heb. lalany]Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.

11 Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.

<< ← Prev Top Next → >>