Ny Baibol, Ezekiela, Chapter 19. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10821&pid=28&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Ezekiela

Ny Baibol

Fitomaniana Ezekiela Daniela

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48

1 Ary manaova hira fahalahelovana ny amin'ireo andrianan'ny Isiraely ianao,

2 ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka tao amin'ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin'ny liona tanora?[Na: Inona moa reninareo? Liom-bavy izy. Namitsaka]

3 Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.

4 Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin'ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin'ny tany Egypta izy.

5 Ary nony hitan'ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.

6 Ary nivoivoy teny amin'ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.

7 Ary nisavika ny mpitondratenan'ireny izy sady nandrava ny tanànany, ka lao ny tany mbamin'izay rehetra tao aminy. Noho ny feon'ny fierony.[Na: Ary fantany ny lapan'ireny]

8 Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin'ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin'ny lavaka izy.

9 Ary nataony tamin'ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona izy, nentiny ho ao amin'ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin'ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.

10 Ny reninao dia tahaka ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin'ny andro niadananao: Vokatra sady nanaroka izy azon'ny rano be,[Na: Fony tamin'ny rànao ianao; izahao xvi. 6; na: Eny, tahaka ny tenanao]

11 Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an'izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin'ny rahona matevina, ary niseho tamin'ny hahavony izy noho ny hamaroan'ny rantsany.

12 Nefa nongotana tamin'ny fahavinirana izy ka nazera ho amin'ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon'ny afo ireny.

13 Ary ankehitriny voavoly any an-efitra, dia ao amin'ny tany maina karankaina izy.Ary afo no mivoaka avy amin'ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.

14 Ary afo no mivoaka avy amin'ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.

<< ← Prev Top Next → >>