Ny Baibol, Ezekiela, Chapter 41. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10843&pid=28&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Ezekiela

Ny Baibol

Fitomaniana Ezekiela Daniela

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48

1 Ary nentiny ho ao amin'ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny iray; sakan'ny trano-lay izany.

2 Ary ny sakan'ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin'ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.

3 Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin'ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan'ny varavarana fito hakiho.

4 Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan'ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masina indrindra.

5 Ary samy norefesiny manodidina, ka ny hatevin'ny rindrin'ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan'ny paosin-trano dia efatra hakiho.

6 Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin'ny rindrin-trano izay ho an'ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin'ny rindrin'ny trano.

7 Ary ny sakan'ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny ambony amin'ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny ambany.

8 Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan'ny paosin-trano, dia eran'ilay volotara hatramin'ny ifanohizany.[Na: Dia noheveriko ny hahavon'ny trano manodidina; ary ny fanorenan'ny paosin-trano dia]

9 Ny hatevin'ny rindrina ivelany amin'ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary hoatra izany koa ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano.

10 Ary ny teo anelanelan'ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.

11 Ary ny varavaran'ny paosin-trano dia mankao amin'ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan'ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.

12 Ary ny trano izay teo anoloan'ilay kianja voatokana tamin'ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho ny sakany; ary ny rindrin'ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin'ny manodidina, ary sivi-folo hakiho ny lavany.

13 Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.

14 Ary ny sakan'ny trano eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.

15 Dia norefesiny ny lavan'ny trano teo anoloan'ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin'ny kianja

16 ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin'izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin'ny tany ka hatramin'ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),

17 ary ny eo ambonin'ny varavarana, na amin'ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin'ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin'ny ohatra avokoa.

18 Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao, ka ny sarin'ny hazo rofia dia teo anelanelan'ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,[palma]

19 ka ny tarehin'olona no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.[palma]

20 Hatramin'ny tany ka hatrany ambonin'ny varavarana no nasiana sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia, dia teo amin'ny rindrin'ny ati-trano lehibe.[palma]

21 Efa-joro ny tolan'ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin'ny fitoerana masina dia nitovy tarehy tamin'izany koa.

22 Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan'i Jehovah.

23 Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masina dia nisy lela-varavarana roa.

24 Ary ireo lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin'ny anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin'ny anankiray.

25 Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao teo amin'ny varavaran'ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin'ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan'ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.[palma][Na: tatao]Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano ary teo amin'ny tokonana.[palma][Na: tatao]

26 Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano ary teo amin'ny tokonana.[palma][Na: tatao]

<< ← Prev Top Next → >>